IZY INY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY INY






Tsy hitako izy iny
tao anaty fahoriana,
koa aza tsiny
raha toa ka tsy tiana.




Tsy hitako izy iny
tao anaty adin-tsaina,
koa dia vahiny
vao tsapa fa niaina.




Tsy hitako izy iny
tao anaty sento maro,
koa aoka ny siny
fa tsy azo afangaro.




Tsy hitako izy iny
tao anaty haverezana,
koa ankehitriny
aleo hihomehezana.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
979 0
Hevitra mandeha
benasy ( 22/07/2009 09:31)
Rehefa ao antay fahoriany ny olona dia mahafantatra ny manodidina azy.... Nony injay dify ny fahoriany dia tsy lavitra ny hihevitra ny hafa ho tsinontsinona izy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/07/2009 20:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138