KAHIE (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KAHIE





Mbola ato ireo kahie
nofenoiko tononkalo
ho anao ka manome
ainga hatrany hikalo.




Mbola ato ireo kahie
nilazako ny fitiavana
fony teny isika ange
niravo lavitra havana.




Mbola ato ireo kahie
namoahako alahelo
fony tsapa nandeha
ny tsiahy nisy avelo.




Mbola ato ireo kahie
nanoratam-pihafiana
ka sarobidy, maneke
fa amboara atoriana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0249