KITAKITAINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KITAKITAINA





Kitakitaina
fa dia kamboty ;
fosafosaina
ka diso angoty !




Kitakitaina
fa hanahirana ;
tabatabaina
tsy ho mirana.




Kitakitaina
fa very havana ;
lazalazaina
fa tsy fitiavana.




Kitakitaina
fa osa marina ;
lelalelaina
ka tsy itarina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/02/2022 15:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014