LAKALAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKALAKA





Lakalaka ny fiainana
ka ity vava atsaharo,
amboary ny fisainana
sao voa eo vao anaro.




Lakalaka ny fiainana
ka 'reo fosa ajanony,
sao ho fanaintainana
mety hahabe lonilony.




Lakalaka ny fiainana
ka aza miavona loatra
sao iny ho fangainana
no tonga hanamboatra.




Lakalaka ny fiainana
ka mahaiza mamindra,
be no azo itarainana
no tairiko indrindra.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1260 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143