LASA IANAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA IANAO Lasa ianao
ka ny fitiavako,
indro mihavao
eto, rahavako.
Lasa ianao
ka ny mianjady,
alahelo be izao
tsy mba fitady.
Lasa ianao
ka singany irery
tsy mahita atao,
tonga olom-bery.
Lasa ianao
ka lasa ny kalo
tiako tao ho ao
rehefa nandalo.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana