LEHILAHY ANGE (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEHILAHY ANGE




Nanan-kambo ny tany,
nahoana no nanontany,
na nitaditady hamahatra
nony indro ory fatratra ?



Lehilahy ange ny tenany
koa nahoana no haka aty
raha maro ireo harenany
mampitombo ilay fitia ?



Lehilahy ange ny tiana
koa nahoana no misento
nony tojo ny hakiviana
sy tsy nety ny hoe ento ?



Lehilahy ange no zaka
koa nahoana no misaona
nony indro nahazo daka
mafimafy toa tsy ahoana ?





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : manokana - Fitiavana - Alahelo
1252 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155