MAHASOA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHASOA





Mahasoa ny fahoriana
fa tsy mampipetrapetraka,
na dia izay no irariana
rehefa indro valaketraka.




Mahasoa ny fijaliana
fa tsy mba mitondra tory
rehefa eo ny tsy tiana
toa maro be manorisory.




Mahasoa ny fihafiana
fa tsy mampalaina hiasa
tsarovy, na rahoviana
fa vao mainka, mikasa !




Mahasoa ny fanahiana
fa tsy mampitony hisaina,
na dia eo ny fanaviana
mamely eto vao maraina.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123