MALAZA TSY IHINANANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAZA TSY IHINANANA





Malaza tsy ihinanana
toy ny vilian-tsahona
ny fananako anao
raha ny fihavanana
nihodina ho vahona
sy nipoiran-draorao.




Malaza tsy ihinanana
ka dia henatra ho ahy
nandritra ny fiainana
fa fahasahiranana,
hoy re ny fanahy,
be fanaintainana.




Malaza tsy ihinanana
ka dia nentiko irery
'reo sedra nitranga 
tsy niova fiadanana
fa mainka namery
ny orako banga !




Fredy JAOFERA



















Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
606 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.019