MANAMPY ANTSIKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAMPY ANTSIKAAlefaso ny mozika
tsy hahabe tantara
hampisy ny vinany :
manampy antsika
hifankahazo tsara
ny elanelan-tany.
Na dia tsy sariaka
fa malahelo moa
sy mila hitomany :
manampy antsika
hifankatia kokoa
ny elanelan-tany.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
