MANDEHA NY PENINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEHA NY PENINA




Mandeha ny penina
tsy mety mitsahatra
fa tsy hay tenenina
ity alahelo mihatra.



Mandeha ny penina
tsy mety sakanana
fa tsy tsara afenina
izao ainga ananana.



Mandeha ny penina
tsy mety ipetrahana
ka mila hankarenina
ny antso mibahana.



Mandeha ny penina
tsy mety iangaviana,
na tsy misy arenina
ny tontolo itokiana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113