MANKANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANKANY




Mangina fa mankany
ny tsiarom-pitiavana
taona maro nofafany
tao anaty fandavana.



Mangina fa mankany
ny nofinofy lalandava
teny ho eny norarany
ka manamalo-tava.



Mangina fa mankany
ny alahelo manadala
ka tsy misy fiafarany
ny andro mamanala.



Mangina fa mankany
ireny lasantsika ireny
mamelona eto izany
ny nisy tsy an-kiteny.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
514 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214