MANODIAVA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANODIAVA




Hoy aho : Manodiava
ny sedra nananana
rehefa tsy mazava,
tsy nanompanana.



Hoy aho : Manodiava
ny ratra nozakaina
rehefa miitady lava
ny nandrera-tsaina.



Hoy aho : Manodiava
ny alahelo monina
rehefa mpandrava
fa tsy foronina !



Hoy aho : Manodiava
ny very nankarary
fa tsy ho be vava
rehefa hibaribary.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
14 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/03/2026 09:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0216