MANORATRA NY PENINA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANORATRA NY PENINARehefa ny alahelo no manery,
rehefa ny ratra no tonga irery
dia hafafafa tsy hay tenenina
matoa manoratra ny penina.
Rehefa mamaritra fitiavana,
rehefa hafaliana, rahavana,
dia ny misy tsy hay afenina
matoa manoratra ny penina.
Rehefa manome fiadanana,
n'inona n'inona no ananana
dia azo ekena fa tsy nenina
matoa manoratra ny penina.
Rehefa ho an'izao tany izao,
rehefa mitrotro fiainam-bao
dia tsy mety ny ho marenina
matoa manoratra ny penina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
