MASO LENA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASO LENA




Maso lena
no azo adika
rehefa jerena
ny sarintsika.



Maso lena
mampitoetra
fosa nomena
raha mitsetra.



Maso lena
mampitaona
ireo tangena
mitaky saona.



Maso lena
mampiranga
ny nobabena
fa tsy kinanga.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
361 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0366