MAY NY TANINDRAZANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAY NY TANINDRAZANA





May ny tanindrazana,
may an-kasomparana,
lasa ho tany ngazana
no hisy vao mifarana.




May ny tanindrazana,
may ho Nosin'ny afo,
n'aiza n'aiza tazana,
mbola io mitafotafo.




May ny tanindrazana,
may manimba ny ala,
izao no fahavoazana
rehefa tsy mahalala.




May ny tanindrazana,
may daholo ny voary,
mafy izao na mazana,
tena misy tsy manjary.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1160 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0531