MBOLA IZAHO IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA IZAHO IHANY





Mbola izaho ihany
no manoratra ho anao
fa nitaditady izany
ny saiko moa tao ho ao.




Mbola izaho ihany
no manelingelina etoana
fa misento hatrany
vao indro ianao tsaroana.




Mbola izaho ihany
no malahelo mangingina
ka topazo ny tany
fa oranoram-panahiana.




Mbola izaho ihany
no mampitaona ilay fitia
mbola tsy hita lany
sy mba satriko ho doria.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
227 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116