MBOLA TIAKO IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIAKO IHANY




Mbola tiako ihany
ny hamoha ny lasa,
na dia tsy hankany
fa azon'ireo lahasa.



Mbola tiako ihany
ny hihaona indray
rehefa manontany
ny ora indraindray.



Mbola tiako ihany
ny hamerina irery
ny tsika ka injany
tonga fa tsy very.



Mbola tiako ihany
ny hahatsiaro anao
rehefa lasa vinany
sy oriory toy izao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
728 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155