MIHOATRA NY MAFY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHOATRA NY MAFY





Mihoatra ny mafy
'rony vava nafafy
fa tantin'ny saina,
na tsy tantaraina.




Mihoatra ny mafy
'tony ratra natafy
fa zakan'ny taona
nandao ny saona.




Mihoatra ny mafy
ny sedra nandavo
fa tsy nampihafy
ny foko ny hiravo.




Mihoatra ny mafy
ny fery nananana
ka dia aty andafy,
mitady fiadanana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
544 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117