Ampidiro aloha ny tenimiafina
MILA FANTARIKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA FANTARIKOMila fantariko
ny mahazo anao
fa lasa rariko
ka avia tantarao.
Mila fantariko
ny zava-mamely
ka amboariko
raha ilaina kely.
Mila fantariko
ny fo mitomany
fa dia ohariko
amiko eto ihany.
Mila fantariko
ny sedra mahory
matoa loariko
fa tsy misy tory.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
ahy - Fahatsiarovana - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
