MISY KELY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY KELY





Misy kely momba anao
mipetaka amin'ny tena,
na dia any ka hazavao
ity andro mahasorena.




Misy kely momba anao
mamelona ny fiainako,
tsarovy re ka aza atao
hahabe ny fitarainako.




Misy kely momba anao :
hasambarako ho doria
ato am-po tsy mandao
mampirehitra ahy fitia.




Misy kely momba anao
tsy mamiko eny foana
mahahafahafa ka ravao
no ambara, na ahoana ?





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
948 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2405