MITADY ANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY ANAO





Mitady anao ny foko
fa azon'alahelo
raha eto re antsoiko
efa ho in-telo !




Mitady anao ny saiko
fa verivery dia,
hafahafa ny mibaiko
ka tsy miriaria.




Mitady anao ny orako
fa banga daholo,
n'aiza n'aiza izorako,
sento be mikolo.




Mitady anao ny toriko
fa tapatapaka,
ny misy re no tsoriko
hanafakafaka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
994 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0228