MIVELONA LAVITRA ANAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVELONA LAVITRA ANAO





Mivelona lavitra anao
dia tsy tiako hitranga
fa na be zavatra atao,
misy fiainana banga.




Mivelona lavitra anao
dia mamoa fanahiana
ka avia anio, hazavao
hipoiran'ilay fitokiana.




Mivelona lavitra anao
dia alahelo mandeha
indraindray mankalao
tsy ilaiko tsahivina re.




Mivelona lavitra anao
dia mampionona irery,
na miandry eto hilalao,
hoy ilay sento mahery.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/10/2026 04:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118