MOA VE AZO ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOA VE AZO ?





Moa ve azo nitarainana
fony mafy ny fiainana
sa mainka nanavesatra
ny sedra ho inefatra ?




Moa ve azo nitokiana
fony be fitomaniana
sa poizina namono
ny tsara be ronono ?




Moa ve azo nifaharana
fony ratsy fandaharana
sa safidy diso etoana
vao inona irosoana ?




Moa ve azo nifikirana
fony ory sy sahirana
sa nofy izay nizotra
tsy afaka hipoitra ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
295 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/02/2022 18:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143