MOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOANA





Moana ny tena fahoriana
namoizana an'ireo akaiky fo,
ranomaso be mikoriana
no mamelona ny zava-nanjo.




Moana ny tena fahoriana
nanimba ireny hasambarako,
sentosento, fangirifiriana
no manaloka kely ny tsarako.




Moana ny tena fahoriana
nivonto alahelo hatry ny ela,
indraindray ange fijaliana
no miranga, hoy aho, namela.




Moana ny tena fahoriana
nitobaka ratra mafy dia mafy,
aretina ao anaty mangina
no tonga mamely aty andafy.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
540 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122