MPANJAKA NO TERAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANJAKA NO TERAKA





Mpanjaka no teraka,
ry mponina an-tany,
ka saotra tanteraka
no alefa eto ihany.




Mpanjaka no teraka
ka andao hankalaza ;
aoka tsy ho reraka
fa Tompo ny zaza.




Mpanjaka no teraka
ka voavonjy, zareo,
ny andro dia heraka
anjely teo no ho eo.




Mpanjaka no teraka
ka asandrato ny hira
tsy mahay miveraka,
na ny any an-dakira.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/12/2019 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0826