NAHOANA NY VARY ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA NY VARY ?





Nahoana ny vary
no manahirana ?
Aiza no marary
tsy hifandirana ?




Nahoana ny vary
no tsy mitobaka ?
Moa tsy nanjary
ny voly bobaka ?




Nahoana ny vary
no tsy voafehy ?
Mijojo ny ariary
ka ambony ve ?




Nahoana ny vary
no tsy mirindra ?
Andeha amboary
ny lafo indrindra.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115