NAMAKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKONamako ny soratra
rehefa misy tomany
mahory manokatra
'reo ratrako hatrany.
Namako ny vavaka
rehefa kivy ny tena
mila any an-davaka
ka misedra tangena.
Namako ny hanina
rehefa singan-drery
sy zary mahafanina
'reo tsy hita sy very.
Namako ny volana
rehefa misy tsiahy
manaitra ny olana
tsy tokony ho ahy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Hanina - ahy - Fiononana - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy