NAMELONA AHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMELONA AHYNamelona ahy fitiavana
ny fahalalako anao
rehefa ny fankatoavana
no tonga ka zahao.
Namelona ahy fiarahana
mba feno fifaliana
rehefa nisy fangatahana
mbola tsy zoviana.
Namelona ahy fisainana
hafa kely mihitsy
ka nampetipety fiainana,
hoy aho, mahitsy.
Namelona ahy fiadanana
mamy foana anio
tsy mety, hoe, sakanana
ka mbola tadidio.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
