NANOSIKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANOSIKA





Nanosika ahy ny foko
hamboraka ny tsapany
aminao izay mandoko
tsara foana ny lapany.




Nanosika ahy ny saiko
hieritreritra ho antsika
raha izay andrandraiko,
ho tonga hahasariaka.




Nanosika ahy ny lalako
hitady ery ny lalam-bao
hampivelatra ny valako
ho antsika ka hazavao.




Nanosika ahy ny heriko
hahavitrika hampisosa
ny amintsika no fijeriko
ho harena be miavosa.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/08/2026 07:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126