Ampidiro aloha ny tenimiafina
NIAINANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIAINANANiainana vao azo
ny zava-drehetra :
nitia mangahazo
sy nandalo tsetra.
Niainana vao azo
ny dia eto an-tany
fa niharan'ny tazo
sy nigoka tomany.
Niainana vao azo
ny hoe : fitoniana,
nifoha irony vazo
nitrotro fihobiana.
Niainana vao azo
ny soa sy ny tsara
matoa aho nihazo
hanova ny anjara.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
