NIRODANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIRODANA





Nirodana ny tanjoko
noho izy iny, ry zareo,
fa na izay akanjoko
tsy nomeny ka jereo.




Nirodana ny tokiko
rehefa olo-nitokiana,
hatramin'ny bokiko,
nogiazany ka dia sina.




Nirodana ny tsarako
rehefa nisy fialonana
tamin'itony anjarako
tsy tiany niombonana.




Nirodana ny mamiko
rehefa tsy afa-niaraka ;
ratra lava ny tamiko
ka aleoko re, nisaraka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
170 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124