NISY SAINA TAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY SAINA TAO




Nisy saina tao
tsy nikatsaka ny soa
ka dia nandao
ny ho any vao mifoha.



Nisy saina tao
tsy nampiasa ny tiako
ka nahory vao
marobe ireo fijaliako.



Nisy saina tao
tsy nilaina ny tigetrako
ka dia nanao
hahafaty ny rehetrako.



Nisy saina tao
nesoina ny hasasarako
nitera-draorao
tsy hipoiran'ny anarako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
542 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 17/02/2025 16:56
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112