NITRANGA INDRAY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITRANGA INDRAY





Nitranga indray
ny tsikin'ny lasako
ka nampalailay
fa tsy nandrasako.




Nitranga indray
ny kintan'ny aliko
ka tsy mba hay
ny tsara havaliko.




Nitranga indray
ny toky nananako
ka te hifandray,
na efa nofaranako.




Nitranga indray
ny senton'ny foko
ka marina izay
matoa nohadinoiko.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1065 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158