NOELIN'NY FAHAGAGANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELIN'NY FAHAGAGANA





Noelin'ny fahagagana
no hipongatra ho azy
rehefa feno hatsarana
ny saotra re ka fohazy.




Noelin'ny fahagagana
mitsinjo fadiranovana
mbola misy hafanana
tsara foana harovana.




Noelin'ny fahagagana
tsy manadino marary
fa miahy azy, mazàna,
ho sitrana sy lavorary.




Noelin'ny fahagagana
mba maharavo ny ory
ka mora hizarazarana
ny soa rehefa hamory.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
802 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118