NOELY AVY AMIN'NY FO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY AVY AMIN'NY FONoely avy amin'ny fo,
mamiratra hasambarana ;
noely mahay mamoha
haravoana azo ianarana.
Noely avy amin'ny fo,
mampiray fianakaviana ;
noely mety ka manoa
'reo lazaina ho fitoniana.
Noely avy amin'ny fo,
mahafinaritra aok'izany ;
noely feno foana voa
hipoirana hoby hatrany.
Noely avy amin'ny fo,
tsy ilaozam-pahagagana ;
noely masina eto koa
ka tsaroana mahatamana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiderana - fananarana - Fiaraha-monina - Fahatsiarovana - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana