RAVA NY AMINTSIKA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAVA NY AMINTSIKARava ny amintsika,
tantara ihany sisa
raha mbola adika
ny toky, visavisa !
Rava ny amintsika,
vorona nikopaka
fa tsy mampipika
ny vazo mitobaka.
Rava ny amintsika,
very ny hafanana
ka injao masiaka
ny alahelo mitana.
Rava ny amintsika,
mikatona ny lasa
ka mampandriaka
ranomaso hiasa.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
