NY ANDRO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO





Ny andro nahory,
navalon'ny taona
fa izao ny mitory,
soa lavi-tsaona !




Ny andro namely,
tsy tazana intsony
fa izao ny tantely
no be tsy mitony.




Ny andro nanary,
tsy hay tantaraina
fa izao voky vary,
mahita ny ilaina.




Ny andro nahosa,
nanery ny hitsitsy
fa izao ny miavosa,
fiadanana mihitsy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
957 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118