NY ANDRO LANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO LANY




Ny andro lany
taminao hatramin'izay,
mivoy hatrany
fitia kanto anankiray.



Ny andro lany
tamin'ny sedra maro,
andry eto izany
tadidy vao mahatsiaro.



Ny andro lany
tamin'ny olana rehetra,
nisy tomany
tsy mba nampitoetra.



Ny andro lany
tamin'ny androntsika
dia any ihany
no sady mahasariaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018