NY ANTSIKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANTSIKA



Ny antsika
ny hafaliana,
mbola any ihany,
misy bika,
na rahoviana,
hamerina am-binany.



Ny antsika
'tony voady,
mbola azo hiraina,
misy dika
raha mitady
hatao isa-maraina.


Ny antsika,
'tony sangy
toy ny vao omaly,
tsisy siaka
na ny vangy
afaka hampijaly.




Ny antsika,
ny efa toky
tsy mba nisy very,
zary pika
sy efa boky
mamiko eto irery.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1264 1
Mpakafy: nyavo2016
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124