NY FANARATSIANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANARATSIANANy fanaratsiana,
misy fialonana,
misy habibiana
saro-takonana.
Ny fanaratsiana,
mitana alahelo
tsy hay iadiana
fa misy ny helo.
Ny fanaratsiana,
mihazona ratra
misy fahoriana
mbola mihatra.
Ny fanaratsiana,
sain'ny ambany
tsy azo itokiana
fa lozan'ny tany.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
