NY IZORAKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY IZORAKONa alahelo aza
no mameno ny foko,
tsy mivazavaza
rehefa anjara toloko.
Na marary aza
ny ratra nanahirana
eto tsy sahaza,
anio re, miramirana.
Na mifosa aza
iny olo-nantenaiko,
sahiko milaza
fa mitony ny saiko.
Na mamely aza
ny lasa izay natory,
izaho tsy hihaza
ny rava nampahory.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
