NY MATY DIA FANAHY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MATY DIA FANAHY





Ny maty dia fanahy
mihaodihaody eny
mpiaro ka mitahy
antsika lavareny.




Ny maty dia fanahy
mitari-pahendrena
toa mba mahasahy
manova ny tena.




Ny maty dia fanahy
manilo 'zay diavina
rehefa azon'ahiahy
sy toa tsy tiavina.




Ny maty dia fanahy
hajaina eto an-tany
mandefa ny tsiahy
mizotra mankany.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
829 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121