NY RANOMASO MANGINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RANOMASO MANGINA





Ny ranomaso mangina
dia mavesa-pahoriana
tsy mba hay tantaraina,
mbola mahasavolaina.




Ny ranomaso mangina
dia mamoha fanaviana
naharatsy ny anjarako
tsy hipoiran'ny tsarako.




Ny ranomaso mangina
dia ireo fanambaniana
nandratra ahy ombieny,
isaky ny vao mankeny.




Ny ranomaso mangina
dia irony fangirifiriana
mamely ny tena indray
tsy mitsaha-mamaivay.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
652 1
Mpakafy: Miarotanjona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.014