NY RATRA TSIRAIRAY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RATRA TSIRAIRAYNy ratra tsirairay,
nanimba faniriana
ka mbola mivay
fa tsy fanahy iniana.
Ny ratra tsirairay,
nampihataka ny fo
fa mivoy indray
ny alahelo be nanjo.
Ny ratra tsirairay,
namoaka tomany
fa izay ela izay,
marary eny ihany !
Ny ratra tsirairay,
miraikitra ho doria
fa aloka tsy hay
raha anio re malia.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
