NY RAY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RAYNy ray no nahitana masoandro
ka mbola hajaina isan'andro,
omena ny fitiavana marina :
tena izy fa tsy namboarina.
Ny ray no nampianatra lava
ny tokony ho hay lalandava,
ny ezaka ho tonga mba olona,
na inona no ady sy tolona !
Ny ray no nikiry aok'izany
hahasoa foana eto an-tany,
hahavanona ny sombiniaina
raha indro fa lasa maraina.
Ny ray no natokana ho andry
ho namana mba hahatafandry,
ho harena tsy azo hadinoina,
ambara ho tsy azo soloina !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fifaliana - Fiaraha-monina - Fianakaviana - fiainana - Fety - Fahatsiarovana - Aingam-panahy