NY SAKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SAKANy saka no tiany hanatody
ka nikiaka rehefa voadona ;
naleony re nirifatra nody
fa henatra no efa nirona.
Ny saka no tiany hanatody
ka nitsara rehefa naratra ;
irina mba tsy hisodisody
fa iny tsy tena nahazatra.
Ny saka no tiany hanatody
ka niova rehefa tsy nahazo ;
ny fanefitra na ny fanafody
dia ialao fa tsy hampivazo.
Ny saka no tiany hanatody
ka tezitra rehefa tsy nety ;
tsarovy fa misy ny tody,
na ho ela na vetivety !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana - ahy - Fiaraha-monina - Fahatsiarovana - Fisarahana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy