NY TOMPO JESOA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TOMPO JESOA





Ny Tompo no harenako
mbola tobaka hatsarana
raha toa ka nanorenako
ny finoana izay mitana.




Ny Tompo no bateriko
azo antoka avy hatrany
raha vao osa ny heriko
sy ankahalaina izany !




Ny Tompo no fitadiko
rehefa kivy lalandava,
rehefa mafy ny adiko
hipoiran'ny Mazava.




Ny Tompo no fiainako
tamin'ny Avo indrindra
nambara ho fitarainako
rehefa tsy eo ny rindra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1111 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.015