NY TSY FAHAMPIANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSY FAHAMPIANA




Ny tsy fahampiana
sy fahakambotiana
no tolona natrehina
voatery nopotehina.



Ny tsy fahampiana
mbola be fihafiana
no sedra noravana
fa toy ny fitsapana.



Ny tsy fahampiana
nahitam-pahoriana
no ady nitolomana
hahery fa niomana.



Ny tsy fahampiana
nitondra fanaviana
no zava-narodana
hananana ondana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118