NY VEHIVAVY DIA POEZIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VEHIVAVY DIA POEZIA





Ny vehivavy dia poezia
mpampitodika ny maso
rehefa manja fa satria
toa anjely ka andraso.




Ny vehivavy dia poezia
mampiainga ny fanahy
mahay miteny mitosia
rehefa vizana, ry lahy.




Ny vehivavy dia poezia
mampidoboka ny foko
mampitombo ilay fitia
rehefa iny ka misoko.




Ny vehivavy dia poezia
avy amin'Andriamanitra
harena marina ho doria
matoa manga ny lanitra.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
614 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/03/2022 00:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014