OHABOLANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OHABOLANA





Aza manao ho tsipolitra
ka antitra vao tia sangy ;
nokaikikakerin'ny olitra
fa tsy nahazo namangy.



Aza manao ho zozoro
mahitsy fa telo rirana
kanefa dia voatorotoro
sy tsy mahita mangirana.



Aza manao, hoe, harefo
mahitsy ivelany fotsiny
kanefa dia tena marefo,
na azon'ireo rotsirotsiny.



Aza manao toy ny herana,
tomany mandratra ny hafa
kanefa manam-piheverana
sy olona mahay itony tafa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1652 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117